Betatamo-Belobaka, Mahajanga II

> Noverezin-jo ny fianakaviana Malagasy misy 800 olona


  • Zoma 13 Septambra 2013

Niakatra eto Iarivo ny solontenan’ny fikambanana RFDM (Rassemblement des Forces pour le Développement à Madagascar) notarihan’ny filohany Randrianjafin’i Naivon’Isondro.

Nitondra ny alahelo sy fitarainany ry zareo fa navilivilin’ny tompon’andraiki-panjakana misahana ny fanomezan-tany ho an’ny olon-tsotra mangataka izany ny fangatahan-dry zareo hanoratra aminy ny tanim-panjakana mirefy 25 ha 17 a 25sa ao Betatamo, Kaominina Belobaka, Distrikan’i Mahajanga II. Efa nanaraka an-tsakany sy an-davany ny fepetra takiana amin’izany ity fikambanana ity. Nisy teratany vahiny nipoitra tampoka anefa nilaza fa ho tompon’ny tany, izay efa nohajariana hatramin’ny taona 2010 sy mamelona fianakaviana 800 olona. Mampaneno lakolosy izahay, hoy Atoa Naivon’Isondro fa fanaovana zinona ny Malagasy eto amin’ny taniny izao mahazo anay izao. Nanampy izany moa Atoa Rakotonirina Andriamanana filoha nasionalin’ny FMTK (Fikambanan’ny  Malagasy Tsimanankialofana amin’ny Faritra 22) sy ny OMDHL mpiaro ny zon’olombelona  izay natonin’ny RFDM ary miaraka amin’izy ireo amin’izao dia eto Iarivo izao. Nambarany fa tsy ho ny resaka malaso sy ny halatra omby intsony atsy ho atsy no ho fototry ny tsy fandriampahalemana eto Madagasikara fa ity resaka ady tany manerana ny Nosy ity ka mety hampitroatra ny Malagasy.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT