Actualités

Betafo Zara raha misy mpampianatra miasa


  • Zoma 25 Mey 2012

Na dia voalaza aza fa miasa avokoa ireo mpampianatra manerana ny Faritra Vakinankaratra dia toa tsy izany ny zava-misy rehefa midina any amin’ireo Cisco manodidina.

 Raha ny hita tao Betafo mantsy dia zara misy mampianatra ireo mpampianatra. Nambaran’ireo mpianatra sendra ireo mpanao gazety nidina tany an-toerana ny alarobia teo mantsy fa raha ny tao amin’ny CEG Betafo dia manodidina ny 20% eo ho eo fotsiny ny mpampianatra no miasa fa dia voalaza fa mivorivory any amin’ny toerana hafa any fotsiny izy ireo rehefa noravan’ny OMC ny fitokonana tao amin’izy ireo. Voalaza ihany koa fa dimy fotsiny ny mpampianatra mampianatra ao amin’ny lycée Betafo. Isan’ny olan’ny mpianatra moa ny tsy fahafantarana ny fandaharam-potoanan’ny mpampianatra mitokona ka matetika izy ireo efa tonga any am-pianarana vao alefa mody ka lasa very fotoana ny ankamaroany. Nezahina moa ny nitady ny mpitarika ny SEMPAMA rezionaly, saingy tsy hita izy. Hatreto izany dia mbola mitohy ny fitokonan’ny mpampianatra ao Vakinakaratra.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT