Ny distrikan’i Betafo sy Mandoto, any amin’iny lalam-pirenena fahafito iny hatreto no fantatra fa manana taha avo indrindra amin’ny aretin-kisoa manerana an’i Madagasikara.
Lohalaharana amin’ireny ny voavary sy ny sakoitra. Tena mamono ny mpanjifa anefa ireto karazana bibikely avy amin’ny kisoa ireto raha tafiditra any anatin’ny vatan’olombelona raha tsizarizary ihany koa izay kisoa misy azy. Manoloana izany dia mikarakara hetsika entina iadiana amin’ireo karazan’aretina ireo ny Ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono. Mpamatsy vola avy any Canada no hanohana azy ireo amin’izany ka hisy ohatra ny fanaovana vaksiny maimaim-poana ho an’ireo kisoa rehetra manerana ireo kaominina 9 ao anatin’ireo distrika 2 ireo. Hisy ihany koa ny fanomezana ody kankana ho an’ireo kisoa rehetra any an-toerana ankoatra ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpiompy mahakasika ny fiompiana kisoa sy ny ady amin’ny voavary.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.