Actualités

Beroroha Mananontanona ny kere, potiky ny valala 85%-n’ny voly


  • Zoma 04 Aprily 2014

Toy ny valala voatango ny mpiara-belona any amin’ny Distrikan’i Beroroha, Faritra Atsimo Andrefana amin’izao, noho ny firongatry ny andiam-balala.

 Araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana avy amina kaominina telo Mandrognarivo, Tanamarina, Sakena dia potiky ny valala ny 85%-n’ny voly vary sy ny katsaka ka tahony sisa mijoro. Mitombo andro aman’alina anefa ny fivoaran’ny andiam-balala ka tsy hitan’ny mponina intsony izay hatao. Hatramin’izao, raha ny loharanom-baovao dia tsy mbola nisy famonoana valala natao tany an-toerana.

Kivy ireo tantsaha manoloana izany ka anaovan’izy ireo antso amin’ny fitondram-panjakana, satria ny angidimby izay lazaina fa hamono valala dia mihaodihady fotsiny ihany fa tsy mbola mamono akory, na dia in’efatra nisidina tany Beroroha aza tao anatin’ny iray volana.  Mananontanona ny mosary any amin’ity Distrika saro-dalana sy mbola anjakan’ny asan-dahalo ity raha tsy misy fandraisana fepetra haingana ataon’ny tompon’andraikitra.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakĂ na

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT