Beriziky Jean Omer

> Tsy hosoloina ireo minisitra kandida


  • Sabotsy 24 Aogositra 2013

Raha ny hevitry ny praiminisitra Beriziky Jean Omer dia tsy hosoloina ny toeran’ireo minisitra kandida filoham-pirenena na kandida solombavambahoaka.

Tsy hisy ny fanovana governemanta, hoy izy fa ny Sekretera jeneraly no mitana vonjimaika ny andraikitry ny minisitra mandra-pitsangan’ny governemanta vaovao aorian’ny fifidianana. Tsy masimandidy samirery anefa ingahy Beriziky fa tsy maintsy maka ny hevitry ny filohan’ny FAT ary tsy azo tsinontsinoavina koa ny vondrona nanolotra ireny minisitra ireny. Araka izany dia mbola hisy ny fihaonana amin'ny filohan'ny tetezamita momba ity resaka ity. Nandritra ny fandraisany ny lehiben’ny mpanelanelana momba ny krizy eto Madagasikara Joaquim Chissano no nanaovany io fanambarana io omaly. Miantso ny mpanao politika koa ny praiminisitra mba hampandefitra ny fitiavan-tena, ka tsy hijery afa-tsy ny tombontsoam-pirenena.

 Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT