Actualités

Beravina Itaosy Saika nidiran-doza ilay zazalahy namono tarondro


  • Alatsinainy 14 Febroary 2022

Zazalahy kely iray vao 3 taona monja no fantatra fa namono tarondro teny Beravina Itaosy teny, distrikan’Antananarivo Atsimondrano

 ka saika nidiran-doza. Ny faran’ny herinandro teo no nitrangan’izany. Nihazakazaka namonjy mpitaiza olona avy hatrany ny Ray aman-dRenin’ity zaza ity raha araka ny fantatra hahafantarana izay tokony hatao.Nisy ny fombafomba tsy maintsy notanterahina nandritra izany izay tamin’io faran’ny herinandro io ihany.Nofonosina lamba miloko mena ireo tarondro roa maty ary nalevina tao anaty lavaka.Mbola nisy ireo fombafomba hafa natao ankoatra izay. Marihina moa fa maromaro tamin’ireo ankizy namono tarondro tahaka ity zaza ity no efa namoy ny ainy tsy fidiny. Miara-maty amin’ilay biby novonoina ny sasany. Raha araka ny fantatra, sy ny resaka any anaty farahamonina mantsy dia bibin-javatra ny tarondro ka tsy azo vonovonoim-poana. Ny fihetsika tokony hatao raha vantany vao mahita azy ireny dia ny manala azy amin’ny hazo moramora handeha ho any amin’ny toeran-kafa.
Pati
Legende : Nofonosina lamba miloko mena tahaka izao dia nalevina ireo tarondro roa namoy ny ainy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT