Beraketa

> Dahalo 4 matin’ny zandarin’i Bekily


  • Sabotsy 19 Oktobra 2013


Malaso efatra nikoizana nampitondra faisana tany amin’ny Distrikan’i Bekily ary nokarohina efa hatry ny ela, malaza ratsy amin’ny halatra omby sy fandrobana isan-karazany no lavon’ny balan’ny zandary ny alahady teo, nandritra ny fifampitifirana tao amin’ny kizon’Andiry Beraketa. Voalaza fa andian-dahalo maherin’ny zato nahitana vehivavy ny iray no nanafika tao an-tanànan’Ampandrandava. Ny 15 amin’izy ireo nirongo basy mahery vaika. Taorian’ny fanafihana dia omby 300 no lasan’ireo malaso tao Ampamanta. Raikitra avy hatrany ny fanarahan-dia nataon’ny mpitandro ny filaminana sy ny Fokonolona. Fantatr’ireo olon-dratsy fa be fiavy ny zandary avy ao amin’ny kaompania Bekily ary lavo ihany koa ny namany efatra dia lasa nitsoaka ny ambiny.

 

E.R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT