Actualités

BEPC eran`i Madagasikara Ratsy ny vokatra tamin`ny faritra maro


  • Talata 02 Aogositra 2016

Saika efa nivaly ny faramparan’ny herinandro iny avokoa ny voka-panadinana BEPC eran`i Madagasikara

 

. Ny harivan’ny alakamisy dia nisy tompon’andraikitra iray ao amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena niseho fahitalavitra, sady nihodinkodina teo ambony seza no nilaza fa tsara ny vokatra BEPC 2016, nitera-bokatra tsara sahady ny fanofanana mpampianatra izay natao … Filazana izay nahagaga ny maro. Inona no nanesika azy hiseho fahitalavitra avy hatrany, nefa vao ny vokatra teto Antananarivo Renivohitra no nivoaka ? Azo hitsarana ny vokatra eran`i Madagasikara ve ny ampaham-bokatra teto an-drenivohitra ? Na io vokatra teto Antananarivo Renivohitra io aza manko dia efa nahazendana ny mpitsara maro fa toa navoaka maimaika. Be no tsy nanatrika izay « délibération » akory. Tsy nolazaina mazava hoe naidina ho firy ny salan`isa hahafahana fanadinana tamin`ity BEPC 2016 ity. Tany amin`ny faritra dia betsaka ny voka-panadinana tany ambanin’ny 30% ohatra ny an’Antsalova sy Mahanoro, nisy ireo sekoly tsy nahavaky atody mihitsy. Mpampianatra matematika maro no nilaza fa tamin`ny kopia notsarainy dia teo amin`ny 3 amin`ny 50 no mba mpianatra nahazo salan`isa. Ny antony, hoy izy ireo dia tena ratsy petraka ny fanontaniana.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT