Saika efa nivaly ny faramparan’ny herinandro iny avokoa ny voka-panadinana BEPC eran`i Madagasikara.
Ny harivan’ny alakamisy dia nisy tompon’andraikitra iray ao amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena niseho fahitalavitra, sady nihodinkodina teo ambony seza no nilaza fa tsara ny vokatra BEPC 2016, nitera-bokatra tsara sahady ny fanofanana mpampianatra izay natao … Filazana izay nahagaga ny maro. Inona no nanesika azy hiseho fahitalavitra avy hatrany, nefa vao ny vokatra teto Antananarivo Renivohitra no nivoaka ? Azo hitsarana ny vokatra eran`i Madagasikara ve ny ampaham-bokatra teto an-drenivohitra ? Na io vokatra teto Antananarivo Renivohitra io aza manko dia efa nahazendana ny mpitsara maro fa toa navoaka maimaika. Be no tsy nanatrika izay « délibération » akory. Tsy nolazaina mazava hoe naidina ho firy ny salan`isa hahafahana fanadinana tamin`ity BEPC 2016 ity. Tany amin`ny faritra dia betsaka ny voka-panadinana tany ambanin’ny 30% ohatra ny an’Antsalova sy Mahanoro, nisy ireo sekoly tsy nahavaky atody mihitsy. Mpampianatra matematika maro no nilaza fa tamin`ny kopia notsarainy dia teo amin`ny 3 amin`ny 50 no mba mpianatra nahazo salan`isa. Ny antony, hoy izy ireo dia tena ratsy petraka ny fanontaniana.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.