Nivoaka omaly ny voka-panadinana BEPC taom-pianarana 2015-2016 ho an’ny fari-piadidiam-pampianaran’Antananarivo Renivohitra. 52,83 % ny salam-pahafahana raha 45,73 % tamin’ny taon-dasa, izany hoe nitombo 7 % ny vokatra na dia teo aza ny fitarainan’ny mpiadina tamin’ ny hasarotan’ny taranja kajy sy ireo karazan-desona toy ny tantara sy jeografia …
Nizotra araka ny tokony ho izy ny fitsarana ho an’ity fari-piadidiam-pampianarana iray ity. Nisy ihany koa ny fitsipi-pifehezana napetraka raha araka ny fanazavan-dRakotozafy Ramasy Harisoa lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana narahin’ny fampiasana ny logiciel vaovao. 18 sy 19 amin’ny 20 no naoty ambony indrindra azon’ny mpiadina, mpianatry ny sekoly tsy miankina Notre Dame de Fatima Ambohimirary raha araka ny fantatra. 9,5 amin’ny 20 kosa ny fetra farany ambany maha afaka na déliberation izay vao notanterahina omaly folakandro ihany koa. Nitombo avokoa ny vokatra manerana ny Faritra Analamanga amin’ny ankapobeny izay hivoaka mialoha ity faran’ny herinandro ity avokoa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.