Actualités

BEPC Antananarivo Renivohitra 54,97% ny taha-pahafahana


  • Zoma 05 Aogositra 2011

Omaly no nivoaka ny voka-panadinana BEPC ho an’ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Renivohitra.

 Herinandro katroka taorian’ny fahavitan’ny fanadinana no nivoaka ny valiny tamin’ity. Niara-nivoaka avy hatrany ny BEPC sy ny lisitry ny afaka “seconde” araka ny fanambin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena. 54,97% ny taham-pahafahana BEPC tamin’ity taona ity, izany hoe latsaka raha oharina tamin’ny taon-dasa izay nahatratra 56%. Noho ny fisian’ireo ankizy mpianatra nanao candidat libre nanandrana ny fanadinana BEPC tao amin’ny taona fahavalo amin’ny ankapobeny no nampitontongana io salan’isa io, araka ny fanazavan’ny Chef Cisco Razafindramboa Voahangy. Na izany aza, azo lazaina ho tsara ihany ny vokatra. Tovolahy kely 11 taona no zandriny indrindra afaka BEPC teto an-drenivohitra.

 

Yves

 

Sary : Mpijery valim-panadinana omaly

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT