Actualités

Ben’ny tanànan’Antananarivo Mihevitra ny mponina ho mpikirakira “internet” daholo


  • Alakamisy 17 Novambra 2022

Mahakasika ny hetra trano dia tsidio ity rohy manaraka ity izay ahitana ny mason-tsivana mamaritra ny fananana mba hanombanana ny sandan’ny hofan-trano ary ahafantarana ny vola tokony aloha amin’ny kaominina,

hoy ny ben’ny tananan’Antananarivo nanoro tao amin’ny tambazotran-tserasera Facebook-ny ny https://simulateurifpb.cua.mg/. Raha misy fanamarihana na fitarainana dia raisina ao amin’ny efitrano fanaovana mariazy ao amin’ny boriborintany miisa 6 manomboka ny alatsinainy ka hatramin’ny zoma, afa-tsy ny alakamisy amin’ny 8 ora maraina hatramin’ny 12 ora atoandro, hoy hatrany izy. Mihevitra ny mponiny ho mpikirakira aterineto na “internet” daholo, araka izany ny ben’ny tanànan’Antananarivo, Naina Andriantsitohaina. Tsiahivina anefa fa vao 2 taona lasa izay no nomarihan’ny tomponandraikitra iray eo anivon’ny fitondram-panjakana ankehitriny fa 6%n’ny malagasy ihany no mikirakira ny tambazotra Facebook, izay tambazotra heverina fa be mpampiasa indrindra, raha resaka hairaha vaovao no ambara. Maika izany fa ireo tambazotra hafa toy ny mailaka sy ny tranokala fotsiny, mety firy isan-jato? Mbola tsy resahana koa ireo tambazotra hafa notanisain’ny filoham-pirenena tamin’ny fotoanan’ny COVID 19 toy ny Instagram, Linkdinn, Twitter sy ny hafa rehefa. Firy isan-jaton’ny malagasy moa no mba mampiasa izany rehetra izany dia firy isan-jaton’ny mponin’Antananarivo dia any ve no heverina fa haha tafita ny serasera atao amin’ny vahoaka? Mbola mitehaka amin’ny tany tsara ve ny tongotry ny ben’ny tanàna?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT