Marina tokoa fa izaho no nanome ny alalana hitrandrahan’ireo mpitrandraka fasika, hoy ny ben’ny tanànan’Ambatofahavalo,
Augustin Rasoloarisoa nanazava ny savorovoro misy mikasika ny fitrandrahana fasika ataon’ny sinoa ao amin’ny fokontany iray antsoina hoe Ankadivoribe Faravohitra amin’izao fotoana izao. Efa tamin’ny 1 oktobra anefa no nampahafantarina tamin’ny vahoaka ny fisian’ireo mpitrandraka ireo ary nanaiky avy hatrany ireo vahoaka. 2 volana latsaka kely taoriana anefa dia niainga io hetsik’izy ireo izay mitohy ankehitriny io. Novoizina fa misy volamena, fasimainty, safira ao. 3 andro taorian’izay dia nampahafantarina tamin’ny vahoaka nanoloana ny haino aman-jery fa tsy misy afa-tsy fasika irery ao. Mbola tsy nijanona hatrany anefa izy ireo fa nitaky ny fialan’ireo mpitrandraka sinoa. Nomarihin’ity ben’ny tanana ity moa fa efa nandalo tany an-toerana ny solontenam-panjakana toy ny an’ny lehiben’ny distrika, ny minisiteran’ny fambolena, ny solontenan’ny solombavambahoaka izay nanambara fa tsy manimba ny tontolo iainam-bahoaka ny fakana fasika eo. Tsy mikasika ny tanin’ireo mponina ihany koa, hoy hatrany izy, ny fitrandrahana ary ny ankamaroan’ireo miasa ao amin’ny toeram-pitrandrahana aza dia mponina avy ao an-toerana ihany. Manara-maso izany in-droa isan-kerinandro fara faha keliny , hoy izy, ny kaominina ary ireo olona miisa 5 izay voatazon’ny fitsarana kosa dia voalaza fa nanimba fananan’olona.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.