Benenitra

> Olona 5 maty, omby 130 lasan’ny dahalo


  • Talata 08 Oktobra 2013


Noho ny firongatry ny asan-dahalo arahina vono olona foana any amin’ny distrikan’i Benenitra, faritra Atsimo Andrefana dia mitsoaka any anaty ala ny mponina amin’izao ary ahiana ny tsy hahatomombana na ny hampisy ny fifidianana, hoy ireo solontenam-pokonolona nitafa tamin’ny mpanao gazety. Araka ny voalazan’izy ireo dia manao sesilany ny halatra omby arahina vono olona ary efa tafakatra dimy ny maty ankehitriny, ka dahalo ny iray. Ny 3 oktobra lasa teo dia omby 130 no lasan’ny dahalo 50 lahy mahery,  nirongo basy Kalaky ny sasany, tao Ankarefo. Tetsy an-daniny, niezaka nanohitra sy nanao ny fanarahan-dia ny fokonolona, saingy niveri-maina rehefa tonga tao Ankilimaro tanàna fieren’ireo jiolahy.

 

 

Ankilimaro tanàna fieren'ireo dahalo

 

 

Araka ny fanazavana hatrany dia fantatry ny tompon’andraiki-panjakana any an-toerana fa toby famaharan’ireo malaso ny ao Ankilimaro, nefa tsy misy sahy mihetsika. Voalaza ihany koa fa ao amin’ity tanàna ity no fanafenana sy fanadiovana ireo omby halatra. Nanamafy ireto solontenam-pokonolona ireto fa ny omby halatra an-jatony mahery very dia tsy mbola nisy na dia iray tafaverina tamin’ny tompony. Manoloana izany dia miraviravy tanana tanteraka ny mponina any amin’ny distrikan’i Benenitra sy ireo faritra manodidina azy, ka manaitra foana ny sain’ny tompon’andraikitra mba hijery akaiky amin’izay ny zava-misy.

*       

*      ER

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT