“Fanaovana hosoka sy fampiasana hosoka, fanararaotam-pahefana, fanodinkodinam-bolam-bahoaka”. Ireo no heloka anenjehan’ny fitsarana ao Toamasina eo anivon’ny Chaine Pénale, ny Ben’ny tanànan’i Vavatenina sady mpiangaly ady totohondry taloha, Laza Jean Bosco, rahalahin’ny mpikambana tao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita teo aloha, Impirina Jean de La Croix. Ny alarobia 04 aprily izy ireo no nentin’ny Bianco Toamasina teo anivon’ny fitsarana misahana ny heloka ara-kolikoly sy fanodinkodinam-bolam-panjakana, ary nohazonina am-ponja vonjimaika ao Ambalatavoahangy ny harivan’io alarobia io ihany. Raha ny fanazavana dia resaka fanamboarana CEG tao amin’ny Kaominina niadidiany ny taona 2009 sy 2010 no nahatonga ny raharaha. Ny Bianco moa tsy afaka manome vaovao noho ny lalàna mifehy azy.
Fa raha ny fanazavan’ny mponina, dia betsaka tamin’ny vola azon’ity Ben’ny tanàna ity no nahodiny tamin’ny fihariany, nefa nisy ny fanangonam-bola nataony isaky ny Fokontany nakana ny anjara volan’ny vahoaka nentina hananganana ity sekoly ity, ka io vola nangonina efa am-polony tapitrisa Ariary io mihitsy no tsy hita izay nanjavonany. Ho an’ny mahalala tsara ny raharaha kosa, dia nilaza fa ilay sekoly nolazaina fa nantsangana mihitsy no tsy vita fa lany ny vola, izay voalaza fa tafiditra tamin’ny fanampiam-panjakana ny fanamboarana azy, ary nanaovana taratasy hosoka ny filazana ny fahavitany sy ny manodidina ny vola lany rehetra. Efatra mirahalahy izy ireo no miandry fitsarana ao Ambalatavoahangy noho ity raharaha ity. Ankoatra izay dia nahitana tranga na fanodinkodinam-bola sy fanamparam-pahefana ary fampiasana hosoka sy fanaovana hosoka ohatra izao koa tao amina Kaominina iray ao amin’ny Distrikan’i Soanierana Ivongo sy Kaominina iray ao amin’ny Distrikan’i Vavatenina ao ihany koa. Raha niakatra fitsarana anefa ny raharaha ho azy ireo, dia fahafahana vonjimaika no nivoaka ny alarobia 04 aprily teo ihany. Vokany, voatery nanao fanoherana niakatra fitsarana ambony ny fampanoavana ny fitsarana ambaratonga voalohany mikasika izany. Tantara mbola hitohy izany ny azy ireo…
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.