Actualités

Ben'ny tanàna rehetra ao Bongolava Mitaky ny hanalàna ny prefen'i Tsiroanomandidy


  • Talata 20 Septambra 2022

Mitaky ny hanalana haingana ny prefen’i Tsiroanomandidy amin’ny toerany ny fikambanan’ny Ben’ny tanàna avy any amin’ny Faritra Bongolava.

Efa tsy rariny sy tsy zakan'ny vahoaka any Bongolava intsony ny fangalàna vola ataon'ny prefen'i Tsiroanomandidy hoy izy ireo. 50 000 ar hatramin'ny 70 000 ar isaky ny omby, tsy misy rosia no fantatra fa alain’io tompon’andraikim-panjakana io amin’izany. Mbola nanamafy izany ihany koa ireo Raimandrenibe sy mpisehatra amin'ny resaka omby: "tsy zakanay ny vola alohanay rehefa hivarotra na hividy omby izahay. Mihoapampana loatra ny vola alaina aminay". Nisy ihany koa ny hafatra nataon'izy ireo ho an'ny filohan'ny SYNAD na sendikan’ny administratera sivily, Paolo Emilio Raholinarivo Solonavalona. "Midina ianao aty Bongolava dia manaova fanadihadiana, miteteza kaominina dia ho hitanao ny marina" hoy izy ireo fa aza be resaka na miaroaro fahatanibe ny namanao fotsiny. Andrasana araka izany izay mety ho tohin’ity raharaha ity. Amin’ny ankapobeny dia leo sy tofoka amin’ny hataon’ny prefen’i Tsiroanomandidy ireo Ben’ny tanàna any an-toerana.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireo Ben’ny tanàna nanao fanambarana omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT