Actualités

BEMASOANDRO ITAOSY Lehilahy nahatrarana cocaine 2 grama


  • Talata 01 Febroary 2022

Voasambotry ny Polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina Anosy teny Bemasoandro Itaosy ny lehilahy iray 34 taona ny 29 janoary lasa teo rehefa nivarotra sy nidoroka cocaïne.

 

Fantatry ny Polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina Anosy fa misy olona mamatsy cocaïne eny amin’iny faritra Bemasoandro Itaosy iny. Nanao ny vela-pandrika sy ny fanarahan-dia izy ireo ka tra-tehaka teo am-pivarotana sy am-pidorohana cocaïne ny lehilahy ity lehilahy ity. Mbola tratra teny aminy ny cocaïne milanja 2g izay efa vita ao anaty sachet plastika. Araka ny fantatra dia fianakaviany izay mipetraka eny amin’ny faritra Itaosy ihany no manatitra izany ao aminy. Mahalafo 2grama in-droa isan-kerinandro ny tenany no sady mifoka ihany koa. Vidiany 35.000Ar ny grama ary hamidiny 40.000Ar indray avy eo ny iray grama amin’izany. Vao herinandro monja izy no nivarotra ka izao tra-tehaky ny Polisy izao. Ireo tovolahy mitovy taona aminy no manjifa izany ao aminy sy miara-midoroka aminy.

 

Pati
Legende Bemasoandro Itaosy Lehilahy iray nahatrarana cocaine 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT