Bemangily Belo

Tsiribihina Vehivavy bevohoka maty notifirin'ny miaramila mamo


  • Zoma 29 Aprily 2022

Vehivavy iray vao 17 taona monja, bevohoka 5 volana no fantatra fa maty notifirin’ny miaramila kaporaly iray tao amin’ny kaominina Ankalalobe, Belo/Tsiribihina ny alatsinainy 25 aprily lasa teo.

Miaramila Kaporaly miasa ao amin'ny 510 eme io miaramila io raha araka ny fantatra. Raha ny nambaran'ny fianakavian'ny maty dia efa mamo io miaramila kaporaly namono nahafaty ny havany io. Efa nanapoaka basy izy tamin'ny fotoana nisintonany ilay vehivavy tamin'ny volony. Nentiny niditra tao amin'ny "dortoir" ary nasaina nandohalika ka notifirina teo amin'ny sorony havanana, ary tafavoaka tamin'ny tratrany havia ny bala nandritra izany.Voalaza moa fa mbola nandainga tamin'ny "adjudant" lehibeny ihany ity kaporaly, ka nilaza ho tsy namono, kanefa nisy nahita ny fihetsiny rehetra sy ny namonoany ilay vehivavy. Mbola namoaka vavabe tamin'ny filoham-pokontany any an-toerana ihany koa ity miaramila ity rehefa nohadihadiana hoy hatrany ny vaovao azo. Miandry izay mety ho tohin’ny raharaha ny fianakaviana.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay vehivavy namoy ny ainy
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT