Actualités

Belo Tsiribihana Tratra ihany ilay dahalo nokarohina efa ela


  • Alakamisy 01 Septambra 2022

Tratra ihany ilay dahalo rain-dahiny voalaza fa mpanao fanafihana any amin’iny distrikan’i Belo Tsiribihana iny. Ny 29 aogositra lasa teo no nahatrarana azy tao amin'ny fokontany Ambohidrahay.

Raha araka ny fantatra dia efa nandray anjara tamina fanafihana mitam-piadiana tao amin'ny distrikan'i Belo Tsiribihiana ilay ranamana ity. Efa tamin'ny 25 Aprily ity farany no nokarohin'ny fitsarana ambaratonga volohany tao Morondava. Resaka fandraisana anjara tamin’ny fanafihana mitam-piadiana maro niseho tao Belo Tsiribihina sy ireo kaominina ambanivohitra manodidina no nanenjehana azy. Rehefa hita tao amin’ity Fokontany iray niereny ity moa io dahalo io dia niditra avy hatrany ny. Basim-borona iray izay nananany taratasy fahazoan-dalana mitam-basy, sy bala miisa 06 ary mohara sy ody gasy maro, niampy fitafy fitondran'ny dahalo manao asa ratsy no tratra tao aminy. Nogiazana avokoa ireo rehetra ireo ary nentina namonjy ny CSPD Belo Tsiribihina izy mba hanaovana famotorana azy.
Nangonin’i Pati
Legende : Ilay dahalo sy ireo ody gasy tratra tany aminy. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT