Actualités

Bel’Air Amborompotsy Talatamaty Mampiahiahy ilay afo nandrava trano iray manontolo tamin’ny sabotsy


  • Zoma 05 Aprily 2013

Mbola nampiahiahy be ihany ny mponina sy ireo tompon’entana may kila hotohoton’ny afo ny sabotsy teo ny amin’ilay fahamaizana nihatra tamina tranobe nisy rihana teny an-toerana ka tsy nahafahana namonjy na inona na inona intsony tamin’izany.

 Marihina fa tsy nahatsindry fo noho ny fahataran’ny fahatongavan’ny sampana mpamonjy voina eto Antananarivo Renivohitra (sapeur pompier etsy Tsaralalàna) ny mponina teny an-toerana ka nahatoraka ny fiara nentin’izy ireo ary nahasimbana mihitsy izany fitaovana izany. Raha ny fanazavana nomen’ireo mpiantso an’ireto mpamonjy voina an-telefaonina ireto (nisy telo tonta) dia niahotra ny handeha teny Talatamaty  ny « sapeur » tetsy Tsaralalàna ka nilaza fa tsy andraikitry ry zareo ny eny amin’iny kaominina iny (angamba an’i Tanjombato na an’ny seranam-piaramanidina Ivato ???).

Fifampiresahana nisy teo amin’ny samy ben’ny tanàna no nahatonga an-dry zareo teny ny farany nefa dia afo efa saika nitsahatra tanteraka tamin’ny famotehana an’ilay trano iray manontolo sy ny entana rehetra tao anatiny sisa no novantanin’izy ireo. Raha mba tonga ara-potoana ireto mpamonjy voina ireto (toy ny fihazakazahana namojy rano vaky tany Toliara farany teo) dia mba nety nisy ampahan’entana tamin’ny rihana taty ambany ihany voavonjy farafaharatsiny. Izao anefa dia an-tapitrisany maromaro no nanjavona tanteraka. Soa lavo hahay mamindra, soa kenda hahay mitsako, hoy ny senton’ny mponin’i Bel’Air Talatamaty !

Samy 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT