Tanàna roa tao Begogo Betroka no notafihana andian-dahalo am-polony nirongo basy nahery vaika ny alakamisy 18 jolay lasa teo. Lasa tamin’izany ny omby 300, tompon’omby roa niaro ny fananany sahy nifanehatra tamin’ireo malaso maty lavon’ny bala.
Fa ny alarobia teo kosa tany Beadobo Bekily dia omby 380 no voaroban’ny dahalo. Zandary maherin’ny 20 manao ny fanarahan-dia. Vola mitentina roa hetsy Ariary niampy rojo volamena maro an-tapitrisany no lasan’ny jiolahy dimy nirongo basy tamina tokantrano iray tao Antsakoameloky Morondava ny marainan’ny alakamisy lasa teo. Tsy ny any amin’iny faritra atsimon’ny nosy iny ihany no mandravarava ny dahalo amin’izao, fa ny 16 jolay lasa teo tamina tanàna iray any Ambatofinandrahana dia omby miisa 204 no norobain’ireo dahalo an-jatony nanafika. Nisy foana ny fanaraha-dia nataon’ny mpitandro filaminana nampian’ny fokonolona. Hatreto, tsy mbola nahazom-baovao marim-pototra ny akon’izany.
E.R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.