Nitrangana fanafihana mitam-piadiana tao Betambako, Kaominina ambanivolo Bejofo, Distrikan’Ambatondrazaka ny herinandro lasa teo.
Tokantrano iray no nanaovan’ireo jiolahy amboletra. Nivoaka nijery ilay rangahy tompon-trano. Vao nipoitra dia norarafan’ireo jiolahy ny tifitra, ka maty ilay raim-pianakaviana. Gisa efatra ihany anefa no lasan’ireo jiolahy. Misokatra ny fanadihadiana sy fikarohana ireo olon-dratsy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.