Actualités

Behoririka-Soarano Nofehezina ny lalana ho an’ny mpandeha an-tongotra


  • Alatsinainy 21 Desambra 2020

Tena mila tsy ho azo aleha intsony ny eny Behoririka nanomboka ny herinandro lasa teo.

 

 


 Na ny lalana handehanan’ny taxibe aza mila tsy hisy intsony vokatry ny hamaroan’ny olona mivezivezy noho ny fahatongavan’ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona. Manoloana io tranga io dia voatery nandray fanapahan-kevitra ny polisim-pirenena nametraka ireny fefy vy ireny eny amin’ny sisin’arabe mba handehanan’ny mpandeha an-tongotra. Tsy maintsy ao anatin’ireny no mandeha ny mpiantsena hahafahan’ny taxibe mandeha am-pilaminana. Manomboka eny Soarano no ahitana izany hatrany amin’ny fidinan’i Behoririka izay misy polisy miambina mihitsy. Nanjary nalalaka ny lalana noho izany. Na izany aza anefa dia tokony hanaovana hetsika tahaka an’io ihany koa ny eny Namontana eny. Mitohana be ihany koa mantsy ny fifamoivoizana eny an-toerana. Tsy olona indray no mihabana ny arabe fa voatavo izay tonga hatreny amin’ny an-tsasaky ny arabe mihitsy. Antso avo araka izany no hatao amin’ny polisim-pirenena sy ny kaominina Antananarivo renivohitra mba hijery akaiky izany.

 Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT