Actualités

Behenjy 5 hetsy Ar no nikasana hamonoan’olona


  • Alatsinainy 03 Oktobra 2022

Na vola 10.000 Ar aza amin’izao dia hamonoan’ny sasany ny namany. Tsy misy hafa a-nitranga tany Betafo ity. Raim-pianakaviana iray antsoina hoe :

Naivo no nivarotra tany. Nandray ny vola 500.000 Ar izy nandritra izany ka narahin'ny jiolahy. Rehefa takotakona dia nandeha ny vono sy daroka. Lasa ihany koa ilay vola sy finday ary ny Clé USB tany amin’ity Raim-pianakaviana ity. Tadidiny tsara anefa ilay antsy namelezana azy. Fantany koa ny iray tamin'ireo namono azy izay tsy iza fa mpiray tanàna aminy. Henony sady fantany koa ny feon'ny iray tamin'ireo jiolahy izay niteny hoe : "Ao izay , ndao amin'izay handeha fa efa maty io".Taraiky teo ity Raim-pianakaviana ity, tranga niseho tamin’ny Alarobia alina teo. Ny Alakamisy tokony amin'ny 03 maraina izy no nisy nanatitra tao amin’ny vady aman-janany fa tsy maty. Niditra antsehatra avy hatrany ny ekipan'ny zandarimaria ao Behenjy raha vao naheno ilay tranga. Nosamborina ireo voatonona ka tratra tao ilay antsy nampiasaina, sy ilay Clé USB. Mbola karohina hatreto ny namany sasany izay nihazona ny vola. Hatolotra ny fitsarana anio izy roalahy ireto.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy roalahy namono ny namany
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT