Velon-taraina fatratra ny mponina any Befotaka-Atsimo ankehitriny noho ny afitsoky ny dahalo amin’ny famoanoan’olona feno habibiana ataony.
Hatramin’ireo mpitandro ny filaminana no tsy ananan’izy ireo antra. Zandary iray maty voatifitry ny dahalo tamin’ny zoma 21 martsa teo raha iny izy niara-nanara-dia dian’omby tamin’ny Fokonolona iny. Lasibatra hatramin’ireo mpampianatra any ambanivohitra koa. Misy anefa mpampianatra vehivavy tratry ny famindran-toerana any ambanivohitra lavitra any.
Manantena ny hanatanterahan’ny depiote nofidin’izy ireo ny fampanantenana nataony tamin’ny vahoaka ny hiarovana ny ainy sy ny fananany ny mponina any an-toerana. Hatreto anefa, araka ny tati-baovao azo dia tsy mbola nandalo ny faritra nahalany azy Ingahy solombavambahoakan’i Befotaka-Atsimo, ka tsy hitan’ny vahoaka izay hampitana aminy ny olana sedrain’izy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.