Nandritry ny fisafoana ny làlam-pirenena faha 32 mampitohy ny distrikan’i Befandriana Avaratra sy Mandritsara izay notarihin'i ZFK1 Ramanamitsiry Rolland, CB PVT Bde Befandriana Avaratra ny 1 febroary 2022,
tokony ho tamin'ny 8 ora alina, dia nifanojo tamin'ny fiara vaventy "camion citerne" iray avy nanatitra gasoil tany Mandritsara izy ireo teo anelanelan'Ambodimotso Atsimo sy Binara, fokontany sy kaominina ambanivohitra ao ihany, distrikan’i Befandriana Avaratra. Hita fa nampidina solika na “gasoil” an-tsokosoko anaty zerikanina na “bidons” 20 litatra miisa 15 ireo olona niaraka tamin’ilay kamiao. Nisy olona miisa 3 tao anaty Bajaj izay namindrana ireo solika ireo ka nandositra ny 1 raha vao nahatazana ny zandary. Tsy afaka niala ihany koa ny mpamily ilay "camion citerne" sy ny mpanampy azy. Arak’izany dia olona 4 no voasambotra teo no ho eo: mpamily ny “camion citerne” sy ny mpanampy, mpamily Bajaj sy ny mpividy gasoil halatra. Izy ireo no nanambara fa andriamatoa Jaona mipetraka ao Ambodimotso Atsimo no tompon'ireo "Gasoil" ireo izay nosamborina avy hatrany. Nogiazana ao amin'ny borigady Befandriana Avaratra ny "camion citerne" sy ny Bajaj ary ireo Gasoil anaty zerikanina. Natao andrimaso ireo olona 5 voasambotra. Nampahafantarina ny lehiben’ny fampanoavana ao amin’ny TPI Mandritsara. Nampandrenesina ny manam-pahefana isan-tokony any an-toerana. Nohamafisina ny fiambenana ny lakazerina hisorohana ny fanararaotana mety hateraky ny hatezeram-bahoaka. An’ny "Compagnie SHELL" ao Befandriana-Avaratra ireo solika ireo. Ny fakana am-bavany tsotsotra ireo mpangalatra no nahafantarana fa ny fatran'ny solika miloko manga izay natokana ho any JIRAMA no nangalaran’izy ireo ireto “15 bidons de 20 litre” ireto. Marihina fa tsy vao sambany no nitrangan'ny fangalarana soliky ny JIRAMA toy izao fa efa nisy ny tranga niseho ny aprily 2020 tao Mandritsara ary 1.000 litatra no very nandritry ny fotoana lavalava. Etsy andaniny dia mijaly amin’ny fahatapahan-jiro matetika amin'izao fotoana izao ny distrikan’i Mandritsara sy Befandriana Avaratra noho io fanodikodinana io nefa tokony ho ampy. Ny famotorana lalindalina no ahazoana ny vaovao rehetra mahakasika ity tranga ity, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.