Nisy namotika ny Sabotsy hifoha alahadin'ny Paska teo ny Ceg manara-penitra ao Ambodiampana, distrikan'i Bealanana.
Tany amin'ity distrika iray ity no nahitana izany fihetsika mampalahelo izany voalohany ka nanaitra ny maro. Potika avokoa ny fitaratra rehetra raha nisy nanimba ihany koa ireo karazana kojakoja vao napetaka toy ny andry fananganan-tsaina, ny dabilio ary ireo tariby mpitondra herinaratra dia voaroba ihany koa. Tonga nijery ny zava-misy ny solombavambahoaka sy ny lehiben'ny distrika any an-toerana ka nanao antso tamin'ny rehetra ny mba hahafahana mifanome tanana hahatrarana ireo olon-dratsy tsy miraharaha ny fananam-bahoaka tahaka izao. Omena 200.000 Ar ihany koa izay mahafantatra na mahara-baovao mikasika izay tena nahavita izao fanimbana fananam-bahoaka izao ho valisoany.
Pati
Legende : Tahaka izao no nihafaran'ilay ceg sisa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.