Nandravarava indray ny dahalo any amin’iny Distrikan’i Mandoto iny ny faran’ny herinandro lasa teo ary nitohy alatsinainy 16 septambra. Lasibatra ny tanŕnan’i Beakanga, Kaominina Vasiana ka nahaverezana omby miisa 40, ary olona roa no maty vokatry ny fifandonana.
Ny alin’ny sabotsy 14 septambra ny fanafihana voalohany tao Beakanga. Dahalo 40 lahy nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika no nanafika raha ny fanazavan’ny kaomanda Ranarison Olivier, komandin’ny kaompanian’ny zandary ao Mandoto. Omby 10 no lasa tamin’io. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny fokonolona, nampian’ireo mpitandro ny filaminana, izay tonga ara-potoana ka navotsotr’ireo dahalo ny omby valo. Tsy niato anefa ny fanarahan-dia nataon’ny Fokonolona sy ny zandary, hamerina ireo omby roa sisa, saingy efa nandrasan’ireo dahalo tamin’ny kizo ireo mpanara-dia, ka raikitra ny fifandonana ka teo no naha voan’ny bala ny olona 3 avy amin’ny Fokonolona nanaradia, ka ny iray maty teo no ho eo, ary ny roa kosa mbola tsaboina ao Antsirabe amin’izao fotoana izao. Ny alatsinainy 16 septambra indray, vao amin’ny 10 ora antoandro, dia notafihin’ireo andian-dahalo tao Andovoka, ny tanàna kely iray ao atsinanan’i Beakanga ka omby 30 no lasan’ireo mpanafika tamin’io. Nanao fanarahan-dia ny Fokonolona raha vao nigadona ny zandary. Vokany dia tafaverina avokoa ireo omby rehetra, ary noho ny fifandonana dia lavon’ny balan’ny mpanara-dia ny iray tamin’ireo dahalo nanafika.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.