Nivoaka tamin’ny fahanginany ny filohan’ny tsena ao Bazary Kely, manoloana ny tsy filaminana ao amin’ity tsena faharoa goavana ao Toamasina ity, izay mampitaraina ny mpivarotra hatramin’izay nefa toa tsy misy mpihaino izy ireo.
Araka ny nambaran’Atoa Rakotomandimby Befizaha Fidel filohan’ny tsena tafaresaka tamin’ny mpanao gazety dia miha maro ny mpanendaka ao Bazary kely ary misy tena mbola kely taona. Ireo jiolahy mitam-basy koa anefa manao ny ataony, hany ka mitaintain-dava ireo mpivarotra satria efa mihatra aman’aina izany ankehitriny. Teo anelanelan’ny volana jona 2012 hatramin’izao, dia efa telo ireo olona notifirin’ny jiolahy mitam-basy tao Bazary kely, ka mpivarotra ny roa ary mpiantsena ny iray, izay maty voatifitra. Resaka vola avokoa no antony. Raha ny tarehimarika nangonina dia am-polony isan’andro ireo mpiantsena voaharona poketra sy paosy tonga mitaraina amin’ny fikambanan’ny mpivarotra.
Manana tetika entina hisakanana ny fitaran’ny asa ratsin’ireo jiolahy ny fikambanan’ny mpivarotra, hoy Rakotomandimby Befizaha Fidel. Eo ny fametrahana fanamafisam-peo mafy entina hanambara mialoha ireo jiolahy mihaodihaody ao an-tsena. Ankoatra izay dia miantso fiaraha-miasa maharitra amin’ny polisim-pirenena izay miala 300m ny Bazary kely ireto fikambanan’ny mpivarotra ireto. Miangavy ny hisian’ny polisy manao fisafoana matetika ao an-tsena sy miara-miasa matotra amin’ireo mpiambina karamain’ny mpivarotra hifehezana ny fandriampahalemana.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.