Raharaha nisarika sain'olona maro tao Toamasina ny momba ny famefen'ny mpitandro ny filaminana ny toerana misy trano fivarotana maromaro tao Bazary kely Parcelle 31/22, ny talata 03 martsa lasa teo, noho ny didim-pitsarana mampifanolana olona roa samy milaza ho tompon'ny tany. Efa nahazoan'ilay ramatoa an-daniny titra sy tsatobato efa ny taona 2008 ilay tany araka ny voalazany, kanefa dia misy didim-pitsarana indray manome “titre exécutoire” lehilahy mifampiandany aminy amin'ity tany ity. Ho an'ny vaditany sy ny mpitandro ny filaminana dia mazava fa fanatanterahana sy fanarahana ny didy mivoaka avy amin'ny tompon'andraikitry ny fitsarana no tanterahin'izy ireo. Araka ny taratasy voarain'izy ireo ny 7 martsa dia tohizana indray ny famefena ny tany efa natomboka ny talata mialoha an'io. Ilay vehivavy nanana titra sy tsatobato ny tany tany aloha kosa nanambara fa tsy hipetra-mora manoloana izao. Nambarany fa tsy nahazo taratasy fampiomanana mikasika ity fitohizan'ny asa famefena ity izy ka manakiana ny fihetsiky ny mpanatanteraka izany. Marihana fa tany iray ihany ity ifandrirotana ity fa samy hafa kosa ny anarany amin'ireo olona roa milaza ho tompony, ny iray milaza fa «Anjara tsara”, ny iray kosa milaza fa “Canal du nord”.
Fanja
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.