Actualités

Basy tsy nahazoana alalana Lehilahy iray voasambotra teny Ankadikely-Ilafy


  • Talata 09 Aogositra 2016

Lehilahy iray no tra-tehaky ny zandarimariam-pirenena avy ao amin’ny tobim-paritra Ankadikely Ilafy ny alin’ny alarobia 3 Aogositra nitondra basy poleta iray vita tanana miaraka amin’ny « chargeur »

tsy misy marika sy fehinkibo ary tranom-basy fampiasan’ny zandary ary fanamiana ambony. Nandritra ny fisafoana isak’alina fanaon’ny  zandary teny an-toerana no nahitana azy ireo. Nanonona ny namany iray hafa moa io lehilahy io izay nolazainy fa tompon’ny basy ka voaantso nanaovana fanadihadiana ihany koa ity farany. Araka ny fantatra dia tsy mbola nisy ny fandrobana sy asa ratsy vitan’izy ireo nialoha izao nahatratrarana azy izao. Natolotra ny fampanoavana androany izy roalahy ireo taorian’ny fanadihadiana efa natao.

Jean D.

             

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT