Samy manao ny azy ny DST sy ny Emmo-REG mahakasika ilay fanadihadiana ny raharaha baomba tetsy Masay.
Ny Emmo-Reg dia nilaza fa tapitra ny fanadihadiana teo anivon’izy ireo. Hatolotra ny fampanoavana anio ireo olona dimy izay eo an-tanany. Nilaza ihany koa ny tompon’andraikitr’io vondron’ny mpitandro ny filaminana io fa tsy misy hidiran’izy ireo intsony izay mety ho valin’ny fanadihadiana ataon’ny DST. Anjaran’ny fampanoavana ny mandray ny andraikiny, raha araka ny loharanom-baovaonay eo anivon’ny Emmo-Reg. Entin’io farany hamborahana ny tsy fifankahazoany amin’ny DST izany. Ny DST kosa indray dia nilaza fa mandroso ihany koa ny fanadihadian’izy ireo ary efa misy olona maromaro voasambony. Omaly dia saika hampita vaovao tamin’ny mpanao gazety io vondrona io saingy tsy tontosa tamin’ny ora farany izany.
Hita ho mifaninana ny roa tonta kanefa dia ao anatin’ny fandikan-dalàna tanteraka ny zava-misy. Izay mantsy vao nitranga izany hoe vondrona roa no indray manao fanadihadiana amin’ny raharaha iray. Izay ihany koa vao nisy hoe olona roa no indray misahana ny fiadidiana ny fanadihadiana amin’ny raharaha iray. Ny Emmo-Reg dia nanipy ny baolina any amin’ny lehiben’ny fampanoavana avy hatrany rehefa nohidiny ny fanadihadiana. Izany dia mba hialana amin’izay mety ho tsy fandehanan’ny tokony ho izy ataon’ny andaniny. Hita mibaribary fa entina hanenjehana ny mpanao politika fotsiny ity raharaha ity...
Nampanantsoina i Mamy Rakotoarivelo
Momba ity raharaha ity ihany dia fantatra avy tamin’ny loharanom-baovao akaiky ny DST fa hampanantsoin’izy ireo Atoa Mamy Rakotoarivelo anio. Izany dia taorian’ny nisamboran’izy ireo olona iray teny amin’ny Marais Masay ka nasaina nanasonia “PV” izay milaza fa io mpanao politika io no ao ambadiky ny raharaha baomba. Ny Emmo-Reg dia nanasa tanana tanteraka raha nanontaniana momba ity fampiantsoana ity. Tsy misy hidiranay velively izany ary iaraha-mahita fa samy manao ny fanadihadiana izahay sy ny DST, hoy ny tompon’andraikitry ny Emmo-Reg. Notohizany fa aleo indray ny fampanoavana no hiadidy ny fanadihadiana satria tsy mandeha amin’ny tokony ho izy izany hoe olona roa anivon’ny mpitandro ny filaminana no indray mitarika fanadihadiana...
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.