Actualités

Banky mifanolana amin’i Lercia Nolavin’ny Fitsarana indray ny fangatahany


  • Alakamisy 04 Aogositra 2022

Tao anatin’ny taona maro, am-polo taonany ny fifanolanana teo amin’ny mpandraharaha sy ny Banky vahiny iray avy atsy amin’ny Nosy rahavavy iray.

Misy ny nandeha ady madio ary misy ny nandeha ady heloka, saingy resy foana io banky io hatramin’izay, hoy i Lercia. Nambarany fa betsaka ny fihoaram-pefy na “moyen dilatoire” ataon’io banky io amin’ny alalan’ny “procédure” tsy mifototra amin’ny lalàna na “base légale” ary rehefa tsy hitany ny atao dia mirona mankany amin’ny fanaratsiana sy fanalam-baraka, toy ny fandrisihana mpanao gazety karamaina amin’ny alalan’ny vaovao tsy marina. Efa napetraka teo amin’ny tompon’andraikitra mahefa ny momba izany fanalam-baraka natao tamin’Atoa Lercia izany ary miroso mankany amin’ny fandinihana sy fanadihadiana lalina ny tompon’andraikitra eto Antananarivo, raha ny fanampim-panazavany. Rehefa nanao fanatanterahana na “exécution” Andriamatoa Lercia tamin’ny alalan’ny vadin-tany ny 07 jolay, dia nambarany fa nanohitra mafy tamin’ny alalan’ny Tale jeneraliny io banky io, ary nanao zavatra tsy dia fahita teto aminy firenena izy ireo satria mangataka ny “retractation de grosse” any aminy tribonaly ambaratonga voalohany, kanefa didy efa nanaovan’izy ireo “appel” na fampiakarana. Nanaovan’izy ireo PIL (Pourvoi Intérêt de la Loi) kanefa resy hatrany izy ireo. Nisy ny “arrêt” tsy dia fantam-pihaviana loatra nentin’izy ireo efa “casse et annulé” io, hoy hatrany Atoa Lercia. Fehiny, nanao “bref délai” izy ireo mba hampitsaharaa ny “exécution”, kanefa nivaly omaly 03 aogositra 2022 izany ary nolavin’ny fitsarana ny fangatahan’ilay Banky, raha ny fanazavan’Atoa Lercia hatrany. Notsipihiny fa firenena tan-dalàna i Madagasikara ka tokony hohajain’ny vahiny ny lalàna eto amintsika. Ho hita eo indray ny tohiny!
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT