Actualités

Banky iray eto Antananarivo Manome « Carte bancaire » efa tsy mandeha


  • Alarobia 30 Desambra 2020

Banky iray eto Antananarivo Renivohitra no mampitaraina mpanjifa amin’ny resaka fampiasana « carte bancaire ».

 

 

 

 Vao nosoloina, azo tamin’ny faran’ny volana oktobra teo ny an’ny mpanjifa iray. Nikasa haka vola taty amin’ny volana desambra saingy ny misoratra teo amin’ny milina mpanome vola na GAD dia hoe « Carte Invalide », hoy ny fitarainana, izany hoe tsy manankery intsony. Nankany amin’ny banky ilay mpanjifa noho izany, ka ny valiteny azony tamin’izany dia hoe « Carte » efa ho tsoahana ireny fa tsy mandeha intsony. Nahoana àry no mbola nozaraina volana oktobra kanefa ny faharetan’ny « validité »  anie ka 2 na 3 taona e ? Nahoana no tsy nampandre hoe ho tapahana fa tonga dia notapahana avy hatrany ? hoy io mpanjifa io. Avy eo hoe dia hoe alaivo manomboka amin’ny alatsinainy eny amin’ny banky izay akaiky anao ilay “carte”, kanefa tonga teny ny talata tsy ao indray hono, hoy ny valin-tenin’ny mpiasa. Havezivezy amina ivon-toerana samihafa amin’io banky io. Mba nanontany noho izany io mpanjifa io hoe ahoana izany ny amiko manoloana ny “carte” izay notapahina tsy misy fampiomanana sy fialan-tsiny, saingy tsotra ny valin-teny hoe raha manana “chèque” dia ireny aloha ampiasaina, fa afaka iray volana sy tapany io vao miverina.Ka raha mila vola maika amin’ny alina na andro alahady izany dia tsy afaka ho eny amin’ny GAB fa miandry fampiasana taratasim-bola ny alatsinainy ve ? Tsy ho tononona eto aloha ny anaran’io banky io, fa mety mahalala avy hatrany ny tompon’andraikitra ao aminy .

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT