Actualités

Banky Iraisam-pirenena 170 tapitrisa dolara ho an’ny sehatra ara-tsosialy


  • Alakamisy 24 Janoary 2013

Tsy mamela ny vahoaka Malagasy hilentika tanteraka ao anatin’ny fahantrana ny Banky Iraisam-pirenena.

 Misy vola mitentina 170 tapitrisa dolara efa nankatoaviny hamatsiana ny lafiny ara-tsosialy izay tsy ho tantanin’ny fitondram-panjakana fa ireo sehatra mifandraika amin’ny vahoaka mivantana. Nivoitra io nandritra ny fihaonan’ny praiminisitra lefitra Botozaza Pierrot, tamin’ny tompon’andraikitry ny Banky Iraisam-pirenena eto amintsika tamin’ity herinandro ity. Eo amin’ny lafiny ara-toekarena dia himasoan’ity departemanta ity hatrany ny fanohanana ny sehatry ny taozava-baventy. Misy ireo lalampihariana izay tsy maintsy atomboka ny fanarenana azy toa ny famelomana indray ny orinasa Sirama ao Brickaville sy Nosy-Be. Rehefa mbola nahanton’ny prezidansa ny fanaikana tolobidy niantsoana mpandraharaha hitantanana azy ireo dia hamboly fary amin’ireo toerana ireo kosa ny fiadidiana ny praiminisitra lefitra misahana ny toekarena sy ny indostria sy ny mpitanana ny Sirama manomboka amin’ny volana martsa izao hanomezana asa ny mponina. Efa nanaiky hampakatra ny fandraisan’anjara ara-bolan’ny fanjakana ao anatin’ny orinasa Secren koa ny minisitry ny vola raha mbola andrasana ny fampanantenan’i Andry Rajoelina izay milaza hanome vola hanarenana ny “Bassin de radoub”. Ao anatin’ny fandaharanasan’ity departemanta ity koa ny famelomana ny lalampihariana fary, landihazo, ny cacao ary ny ronono.

Momba ity farany indrindra dia milaza i Botozaza fa tsy tokony ho potehena amin’ny resaka politika ny orinasa Tiko fa avela hiodina ary tsy hijerena izay tompony. Nasiany resaka koa ny vava be nataon’ny filohan’ny FAT tamin’ny Sherritt tany Toamasina farany teo izay nilazany fa tsy fanao ampahibemaso ireny fanenjehena ireny. Raha misy ny tsy mety ataon’Ambatovy dia ampanantsoina ireo tompon’andraikitra ao aminy hiara-midinika ny fanatsarana, hoy i Botozaza.

Niaiky rahateo ny praiminisitra lefitra fa tsy lavorary ny fanatantosan’ny orinasa Sherriit ny fifanarahany amin’ny fanjakana Malagasy. Notanisainy ohatra ny tsy fisian’ny Malagasy miara-mitantana ity orinasa ity, tahaka ny QMM izay Malagasy no Tale jeneraly, mba hisian’ny mangarahara tanteraka, ny fanomezany laka ny mpiasa vahiny raha toa ka Malagasy no tokony atao laharampahamehana. Tsy mbola mazava ihany koa, hoy izy ny fanaraha-maso ny vokadratsy ara-tontolo iainana ateraky ny tetikasa satria very any an-dranomasina ny ankamaroan’ny zavatra nampiasainy. Efa nanao dingana mandeha amin’izay lalana izay i Botozaza Pierrot tamin’ny alalan’ny fandefasana taratasy ny Tale jeneraly miantso ny Sherriit hanaraka ny fifanarahana lasitra.

 

Nangonin’i Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT