Tapitra ny talata 17 mey hariva teo ny fe-potoana 48 ora nomen’ny mpiasan’ny Banky Foibe ny fanjakana mba hanafoanany ny didim-panjakana manala amin’ny toerany ny Tale jeneraly Rasolomanana Christian izay nosoloina an-dRatovondrahona Guy
Nandrahona hanatontosa fitokonana tsy misy fetra moa ireo mpiasa raha tsy miverina amin’ny fanapahan-keviny ny fanjakana. Ho azy ireo mantsy dia fanitsakitsahana ny fifanarahana niarahana tamin’ny fanjakana tamin’ny andron’ny praiministra Monja Roindefo ny fomba nanoloana io tomponandraikitra io ka tsy ekena. Tsy raikitra anefa ilay fitokonana satria tsy mitovy hevitra ny mpiasa nandritra ny fivoriambe notontosaina ny talata hariva. “Tsy nisy ny fifampierana fa fanapahan-kevitry ny mpitarika sy delege sasany ny fanaovana grevy ka noho izany dia najanona ilay izy. Tsy ny rehetra ihany koa no nandray anjara tamin’ilay fanangonan- tsonia”, araka ny tatitra avy amin’ny mpiasa iray tsy nitonona anarana. Tsy mbola mivalona hatreo anefa ny raharaha satria nangataka fihaonana tamin’ny governora Rasamoelina Frédéric ireo mpitarika ny fitokonana ireo omaly mba hangataka aminy fahazoan-dalana manatontosa fanadihadiana hakana ny hevitry ny mpiasa tsirairay raha ny maro an’isa no miray feo aminy. Raha mahazo alalana ireo mpitarika dia hisy indray ny fivoriamben’ny mpiasa handinihana ny soso-kevitr’izy ireo. Andrasana ny tohiny.
Sary : Toy ny isan’andro ihany ny zava-nisy tety ivelan’ny Banky Foibe Antaninarenina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.