Actualités

Banky Foiben’i Madagasikara Hampiato asa ny mpiasa


  • Alakamisy 12 Jolay 2012

Roso amin’ny fampiatoana asa koa ny mpiasan’ny Banky Foibe. Hanomboka anio izany raha ny loharanom-baovao avy amin’ny SEHMBIOSE, sendikan’ny mpiasan’ny Banky Foiben’i Madagasikara.

 Hatao izao hetsika izao ho fanehoan’izy ireo ampahibemaso ny tsy fanekena ny fanosihosena ny lalàna 94-004 tamin'ny 10 jona 1994 mifehy ny Banky foibe, izay lalàna velona eto amin’ny tany sy ny firenena ary koa ho fanehoam-piraisankina amin’ny hetsika ataon’ny mpiasam-panjakana. Ireto farany izay nanomboka fitokonana lavareny omaly, alarobia 11 jolay.

Bemarenina

Nisy, tsiahivina ihany, ny taratasy nalefan’ny SEHMBIOSE tamin’ny alalan’ny filohany, Rakotoniaina Andriananjaina Franck, any amin’ny Governora mpisolo toeran’ny Banky Foibe, Guy Ratovondrahona, ny alakamisy 05 jolay teo, mitaky ny hanajana manontolo ny satan’ny Banky Foibe, araka ny voafaritr’io lalàna 94-004 io. Raha ny hita dia sady taratasy fitarainana ity nalefan’izy ireo ity no mirakitra koa ny fitakian’ny mpiasa. Anisan’izany ny hampiharana ireo andininy ao amin’ny satan’ny Banky Foibe io mamaritra ny tombontsoan’ny mpiasa. Voakasik’io fitakiana io koa ny fandoavana ny ambiny amin’ny fampakaran-karama 7% tamin’ny 2011, ny tambinkaraman’ireo handeha hisotro ronono, ny fanitsiana ny marikarama... Mitaky ny hanafoanana ny fanasaziana nampiharina tamin’ny alalan’ny famindran-toerana mpiasa koa ny sendika, toy izany koa ny fanendrena sy fampakarana natao maimaika.
 
Takian’ny sendika SEHMBIOSE ihany koa ny hampitsaharana tsy misy hatak’andro ny fanaovana antsojay sy ny fanamparam-pahefana atao amin’ireo mpiasa mpikambana ao aminy. Araka ny voafaritry ny andininy faha-213 amin’ny lalàna mifehy ny asa dia manana 72 ora, aorian’ny taratasy fampahafantarana io, ny roa tonta hifampidinihana hikatsaham-bahaolana. Nandefasan’ny sendikan’ny mpiasan’ny Banky Foibe dika mitovy amin’io taratasy fitakiana io rahateo ny “Inspection du travail”. Raha ny re anefa dia misy manao bemarenina, ka dia roso amin’ny fitokonana izao ny mpiasa ary tsy hihemotra manoloana ny ramatahora sy ny antsojay, izay efa natao tamin’ny mpiasa mpikambana tao amin’ity sendika ity.
 
Nangonin’i Jean D.
 
Sary : Rakotoniaina Andriananjaina Franck sy Aina Razafindrakoto, mpitarika ny SEHMBIOSE, sendikan’ny mpiasan’ny Banky Foiben’I Madagasikara (sary : Rakotobe)
 

ENCADRE :

Teo amin’ny “rue de la liberté” Anosy no nifamotoanan’ireo mpitarika sendikaly sy mpiasam-panjakana maro, omaly misandratr’andro, nanombohana ny fitokonana lavareny ataon’izy ireo. «Olona tsy azo ifampidinihana intsony ny mpitondra tetezamita ankehitriny», hoy Razafimahazo Fama (F3M) ao amin’ny «Cellule de crise interministérielle des Agents de l’Etat», ka dia «mitohy ny tolona ary hihamafy izany, satria dia hitety ministera izahay manomboka eto hanetsika ireo namana voageja sy tratry ny ramatahora». Nirohotra teo anoloan’ny efitra faha-6 ao amin’ny Lapan’ny fitsarana nanohana an’i Valérien Rakotonandrasana, Sekretera jeneralin’ny SISFM (Paramed) niakatra fitsarana omaly ireo sendikalista mpiasam-panjakana sy olon-tsotra maro ny tolakandro.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT