Banky Foiben’i Madagasikara

> Nodimandry tampoka ny governora Ratovondrahona Guy


  • Talata 10 Septambra 2013

Nodimandry tampoka omaly antoandro ny Governora mpisolo toerana sady tale jeneralin’ny Banky Foiben’i Madagasikara, Ratovondrahona Guy.

Namonjy fivoriana maraina tao amin’ny ministeran’ny fitantanam-bola sy ny tetibola ny tenany no nahatsiaro ho tsy netinety. Niakarapoka tao amin’ny rihana faharoan’ity ministera ity izy teo amin’ny sivy ora mahery teo ary nentina maika namonjy klinika teny Ankadifotsy teny. Tany amin’ny 11 ora mahery no voalaza fa tsy tana intsony ny ainy, na natao aza ny ezaka fameloman’aina rehetra. Fahatapahan’ny lalandra no tombanana ho nitarika izao fahafatesana tampoka izao. Tamin’ny febroary 2012 no voatendry ho Governora mpisolo toerana nandimby an-dRasamoely Frédéric, lasa nisotro ronono, Atoa Ratovondrahona Guy sady nitazona ny andraikitra tale jeneralin’ny Banky Foiben’i Madagasikara. Ny tale jeneraly lefitra no hisahana vonjimaika ny asan’ny governoran’ny Banky Foiben’i Madagasikara mandra-panendry izay ho governora vaovao.

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT