Actualités

Banky BNI Lasan’ny Karana ambongadiny


  • Talata 01 Aprily 2014

Vita hatreo ny ezaka fanakanana ny famarotana ny banky BNI amin’ny vondrona orinasa Groupe Ciel izay fananan’ny Karana Maorisianina.

Nandritra ny fivoriana notontosain’ny tompom-bola ao amin’ity banky ity ny alakamisy lasa teo no naha tanteraka ilay famarotana. Fenon’ny Groupe Ciel avokoa mantsy ireo fepetra telo notakian’ny CSBF (Commission de Supervision Bancaire et Financière) taminy. Ny CSBF izay efa nanome alalana ny hivarotana ny banky amin’ny Groupe Ciel tamin’ny septambra 2013. Ao aloha ny tsy fandroahana mpiasa, ny fitazonana hatrany ny fampiasana ny «lettres de crédit» na ohatrinona na ohatrinona ny sandany amin’ireo tambajotra mpiara-miasa ary farany ny «contre-garantie» omen’ny Crédit Agricole.

Raha ny fanazavan’ny Tale jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana Robimanana Orlando dia efa nilamina ilay resaka famarotana ny BNI fa ny momba ireo fepetra ireo sisa nandrasana. Marihina fa efa nandefa taratasy milaza ny fanoherany ny famarotana ny BNI ity farany izay nilaza fa banky matanjaka eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena no mendrika handray ny BNI. Nanao izay fomba rehetra nahafenoany ireo fepetra ireo anefa ny Groupe Ciel. Anisan’izany ny fitambarany amin’ny orinasa First Immo. Marihina fa manana petrabola 32,58 amin’ny BNI ny fanjakana 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakĂ na

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT