Actualités

Banky BFV SG Hanao fitokonana faobe ny mpiasa


  • Zoma 08 Febroary 2013

20% ny fisondrotan-karama nangatahin’ireo mpiasa eo anivon’ny banky BFV SG, 6% ihany anefa no nomen’ny mpitantana ny orinasa.

 Manoloana izany àry dia haneho ny tsy fifaliany ireo mpiasa ao amin’ity banky ity ka milaza fa hiroso amin’ny fitokonana faobe amin’ny alatsinainy. Raha ny fanazavan’ireo mpiasa dia rariny loatra izany fangatahana izany satria nahazo tombony 40% ny banky tamin’iny taona lasa iny. Nametraka ny fitarainany tany amin’ny «Inspection du travail» moa ireo mpiasa hatramin’ny alatsinainy lasa teo kanefa tsy mbola nahitam-bokany izany ka izao firosoana amin’ny fitokonana izao no tapak’ireo mpiasa. Hikatona avokoa, araka izany ireo masoivoho BFV SG amin’io alatsinainy io, efa hikatona koa ity banky ity anio noho ny antony teknika, fa hoe : hametraka «serveur» vaovao amin’ny fizaram-bola, raha ny fanazavana ihany. 

 
Nangonin’i Soa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT