Tsy fifanerena fa mizotra ao anatin’ny filaminana ny fandinihana ny fitakian’ny mpiasa ao amin’ny banky BFV SG araka ny nambaran’ny Tale jeneraliny, Equilbeck Philippe.
Nolazainy koa fa tsy nifametra daty hitadiavana marimaritra iraisana ny solontenan’ny mpiasa sy ny fitantanana saingy ezahana ny handamina ity resaka ity faran’izay haingana. Misokatra hatrany ny banky BFV SG rehetra noho izany. “Erreur de jeunesse” izay azo adika ho hambom-po diso toerana no fahitan’i Equilbeck Philippe ilay fitokonana nataon’ny mpiasa tamin’ny alatsinainy iny. Fisondrotan-karama 6% tsy eken’ny mpiasa moa no nahatonga ilay hetsika nataon’izy ireo fa mitady ambonin’izay izy ireo. Tsy nilaza ny taha angatahan’ny mpiasa kosa anefa ny mpitantana.
Momba ny politika ara-barotra indray dia ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasan’ny olona amin’ny banky no tanjon’ny BFV SG, hoy izy ka anisan’izany ny tsy fakana “frais de tenue de compte” mandritra ny herintaona ho an’ny fanokafana kaonty vaovao raha nampidina ho 5.000 Ariary kosa izany ho an’ny kaonty efa nisy. Eo koa ny fampielezana ireny milina mizara vola ireny na DAB. Nanatanteraka fambolen-kazo teny Ambohijanaka ny fianakaviamben’ity banky ity ny sabotsy teo ka kininina 500 isa sy kesika 100 isa no voavoly tamin’io. Mahatratra 20ha kosa ny velarantany voavolin-dry zareo hazo tao anatin’ny 15 taona.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.