Noraisin’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta Solonandrasana Olivier tao amin’ny birao fiasany eny Mahazoarivo omaly ireo delegasiona mafonjan’ny Banky iraisam-pirenena momba ny fampandrosoana notarihin’Andriamatoa Abdelkrim Bendjebbour.
Fotoana indrindra nanazavan’ireo delegasiona ireo ny asa hotanterahiny eto amintsika izany mialoha ny hanatanterahan’izy ireo ny tetikasany manomboka ny taona 2017 ka hatramin’ny taona 2021 aty amin’ny faritr’i Afrika. Nisongadina nandritra izany fa anisan’ny asa imasoan’ny Banky momba ny fampandrosoana eto amintsika ny fanazavana an’i Afrika, ny fampitomboana sy fanohanana ny orinasa raha eo ihany koa ny famahanana amin’ny lafiny rehetra izay manana tanjona hanatsara hatrany ny fiaraha-miasan’ny roa tonta entina hanatsarana ny fari-piainan’ny vahoaka Malagasy. Hanangana Afrika kely vaovao no tena tanjon’izy ireo amin’izany. Nisy ihany koa ny resaka nifanaovan’izy ireo momba ny ady amin’ny kolikoly, ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka mpahazo ny zaza, ny famatsiana rano fisotro madio eto Madagasikara nandritra izany, indrindra fa ny amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy. Tsy latsa-danja amin’izany ny famatsiana herinaratra azo havaozina eto an-tanàn-dehibe sy any ambanivohitra, ny fanatsarana ireo fotodrafitrasa momba ny fambolena sy ny fiompiana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.