Actualités

Ban Ki Moon Ho tonga anio tolakandro


  • Talata 10 Mey 2016

Anio talata 10 mey amin’ny 3 ora latsaka dimy minitra no higadona eny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato ny sekretera jeneralin’ny firenena mikambana Atoa Ban Ki Moon sy Ramatoa vadiny.

 

Tsy hanao fanambarana ny tenany eo am-pahatongavana. Hitsena azy eny an-toerana kosa ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Ny alarobia (rahampitso) 11 mey no hiatrika ny parlemantera eny amin’ny Antenimierandoholona i Ban Ki Moon ka hisy ny kabary hataony mandritra ny fihaonana. Ny tolakandron’io alarobia io ihany no horaisin’ny filoham-pirenena eny Iavoloha ity sekretera jenerali’ny Firenena Mikambana ity ka hisy ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety hataon’ny roa tonta. Tena ho hentitra ny fitandroana ny filaminana eto Antananarivo amin’izao fahatongavan’i Ban Ki Moon izao ary tsy maintsy hisy ny lalana ho tapaka, indrindra fa ny faritra Ivato – route Digue-Anosy amin’ny fotoana handalovan’izany vahiny manankaja izany.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT