Actualités

Bakan’i Katsepy Niakatra 100% ny saram-piampitana


  • Alakamisy 31 Janoary 2013

Mitaraina ny vahoaka any amin’ny Distrikan’i Mitsinjo sy Soalala any amin’ny Faritr’i Boeny amin’ny fiakaran’ny saran-dalana fivezivezena amin’ny baka ao Katsepy.

 Niakatra avo roa heny mihitsy satria 2500 Ar lasa 5000 Ar ho an’ny olona iray. Manjaka tokana ka manao izay tiany atao ny baka MADABA hatramin’izay roa taona nahasimba ny baka “Baobab” mifaninana taminy izay, hoy Ratodizara François. Vokatr’ity toe-javatra ity dia mihemotra ny mpandraharaha sy mpanangom-bokatra any amin’iny faritra misy anay iny, hoy ity olobe ity. Tena fanetribe mampikatso ny fampadrosoam-paritra mihitsy ity resaka baka ity ankehitriny, raha ny nambaran’Atoa Ratodizara François ihany, ka mba tokony hojeren’ny fanjakana akaiky.

Raha ny mikasika ny fandriampahalemana indray kosa, dia mangataka ny fankatoavana ny «Dinan’i Boeny Miray Dia» ny Fokonolona any amin’iny Faritr’i Boeny iny satria raha mandray andraikitra amin’io ny vahoaka dia 24 no homenay dia ho foana ny dahalo any. Notsiahivin’ity olobe ity koa anefa fa efa nisy fotoana nampiharana an’ity Dina ity ihany teo aloha teo saingy dia nogadraina mihitsy ny mpitarika azy io ary mbola any am-ponja mandraka ankehitriny.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT