Nizotra antsakany sy andavany ny bakalorea teknika andro voalohany notanterahana ny alatsinainy 12 aogositra 2013 teny amin’ny foibem-panadinana Lycée Technique Professionnel Ampefiloha.
Fantatra fa nisinisy ihany ireo mpiadina tsy tonga niatrika ny fanadinana nandritra ny fanombohana omaly na dia mbola tsy anana aza ny tarehimarika, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny toeram-panadinana Andriamanalindranto Bienvenu. Teo ihany koa ireo mpianatra tara saingy tsy nihoatra ilay fetra 15 minitra voalazan’ny lalàna ka afaka niatrika soa aman-tsara ireo laza adina izy ireo. Ny taranja toekarena no nisantaran’ireo mpanala fanadinana ny tapak’andro maraina ka nisafidianan’ireo mpiadina laza adina iray amin’ireo roa naroso. Ny voalohany dia mahakasika ny tontolon’ny fikirakiràna fitantanana ankapobeny eto Madagasikara na ny “comptabilité nationale” miampy ny antsoina hoe “agrégat économique”. Ny safidy faharoa kosa dia niompana tamin’ny sehatry ny fifandanjana amin’ny fandoavam-bola na ny “balance de paiements” sy ny lafiny tsy fananana asa ary ireo fepetra tokony horaisina.
Ho an’ireo mpiadina ny bakalorea “technologique” moa dia mbola nisedra ny taranja mahakasika ny fahalalana ankapobeny ny lalàna izy ireo. Ny zava-nisy teny amin’ny manodidina ny foibem-panadinana aloha dia maro tamin’ireo mpiadina no tsy afaka namonjy fodiana ny antoandro noho ny fahateren’ny fotoana satria dia naroso aloha ny fidirana amin’ny folakandro araka ny fandaminana vaovao napetraky ny sampan-draharaha miandraikitra ny bakalorea. Tsara ihany ny mampahatsiahy fa mahatratra 10.293 ny isan’ireo mpiadina bakalorea sampana teknika tamin’ity taom-pianarana 2012-2013 ity ka ny 5.244 amin’ireo dia avy eto amin’ny faritanin’Antananarivo avokoa, izany hoe maherin’ny 50%. Maharitra 4 andro moa ity sedra andiany faharoa ity saingy miato kely izany ny alakamisy 15 aogositra izay fety andro tsy fiasàna saingy mitohy kosa ny zoma 16 aogositra 2013, andro farany amin’ny fanadinana.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.