Voasembantsembana ny andro faharoan’ny fanadinana bakalôrea tao Antsiranana omaly. Hadino, tsara ambina, tany amin’ny biraon’ny zandary ny laza adina matematika ho an’ny sokajy C sy sokajy D.
Tara ora iray vao afaka nanomboka ny fanadinana omaly maraina, tao amin’ny foibem-panadinana Lycée Zafy Albert raha afaka nanomboka ny azy ara-potoana ireo mpiadina amin’ny sokajy A. Nimenomenona be ireo mpiadina satria rava ny fifantohan-tsaina na ho an’ireo afaka niroso avy hatrany, indrindra moa fa ny an’ireo voatery niandry ny fahatongavan’ny laza adina avy any amin’ny zandary. Ankoatra io, velon’ahiahy ireo ray aman-dreny amin’ny nandefasana tanora mpianatra taona faha-2 amin’ny lalam-piofanana teny aman-tsoratra ao amin’ny oniversiten’Antsiranana, miisa 30 mianadahy be izao, hiambina ireo mpanala fanadinana bakalôrea tao amin’ny Lycée Zafy Albert sy Notre Dame, eo koa ny fampiandraketana mpampianatra tsy raikitra ny foibem-panadinana nefa ireo mpampianatra matihanina tokony hanao izany tsy nantsoina. Sao mba izany no hanamaivanana na tsy hampanan-danja ity fanadinana hahazoana diplaoma manokatra ny varavarana hidirana eny amin’ny anjerimanontolo ity, hoy ireo ray aman-dreny, ankoatra ny kajikajy ara-pitantanana hafa.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.