Actualités

Bakalôrea 2016 Vaviantitra 73 taona no zokiny indrindra amin’ireo mpiadina


  • Alatsinainy 01 Aogositra 2016

Tsy voafetran’ny taona ny fianarana, saingy mampametra-panontaniana ny maro ihany ny nampirisika an’ity ramatoabe efa 73 taona ity mbola hanala fanadinana bakalôrea, ankoatra ny hoe fampirisihina ny taranany hitozo amin’ny fianarana, fa io no lova tsara indrindra.

 

 Izy no zokiolona amin’ireo mpiadina miisa 177.686 voasoratra anarana manerana ny Nosy, raha vavikely vao 12 taona no zandriny indrindra. Samy amin’ny sokajy A2 izy mianaka ireto, ka any Sambava, ao amin’ny CEG Centre ilay vaviantitra no hiatrika fanadinana, raha etsy amin’ny lycée privé Saint Jean Bosco Mangasoavina kosa ilay tovovavikely 12 taona.

Hanomboka anio alatsinainy 1 aogositra manerana ny tanin’ny Repoblikani Madagasikara ny fanadinana bakalôrea 2016, izay lakile ihany koa hidirana eny amin’ny anjerimanontolo. Nisafidy ny sokajy ankapobe ny 168.082 amin’ireo mpiadina voasoratra anarana ary sokajy teknika ny 9.604 ambiny. Hitsinjara amin’ny foibem-panadinana miisa 270 izy ireo. Ny taranja filozofia no hisantatra ny laza adina anio.


Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT