Nifarana tamin’iny herinandro iny ny fisoratana anarana ho an’ireo mpiadina hiatrika ny fanadinana bakalorea ho amin’ity taom-pianarana 2013-2014 ity. Maherin’ny 69.500 ireo kandida handray anjara amin’izany ka manodidina ny 64.800 amin’ireo dia ao amin’ny fampianarana ankapobeny raha tsy latsaky ny 4.600 kosa ireo hisedra ny bakalorea teknika.
Ho fantatra amin’ny fotoana manaraka hivoahan’ny lisitra raikitra moa ny tena isa marina aorian’ny fijerena ireo antontan-taratasy voarain’ny sampandraharaha manomboka amin’ity herinandro ity. Ny azo ambara aloha dia nitombo hatrany amin’ny 5.500 mahery ny isan’ireo kandida mihoatra ny tamin’ny taom-pianarana lasa. Nampiakatra io tarehimarika io, raha ny fanazavan’ny filohan’ny Ofisin’ny bakalorea, Dr Rakotoarison Olivier, ny fitombon’ireo mpiadina ao amin’ny sokajy A2 izay miisa 44.000 raha nahitana fihenana 644 kosa ireo kandida ao amin’ny sampana teknika izay nahatratra 5.244 tamin’ny taom-pianarana 2012-2013. Ahitana kandida 12.900 ny sokajy D, 3.977 ny sokajy C ary 3.716 ny sokajy A1. Manoloana io fisondrotry ny isan’ny mpianatra ao amin’ny kilasy famaranana hisedra ny fanadinam-panjakana bakalorea io dia hampitomboina 5 ihany koa ny isan’ireo toerana hanatanterahana ny fanadinana izay fepetra raisina hiatrehana ny fitombon’ny mpiadina eo amin’ny 10% isan-taona, dia i Mantasoa, Ambohibary Antsirabe, CEG Ambohimanarina, Aceem Ankadivato ary ny sekoly Notre-Dame-du Rosaire Antohomadinika amin’ity taona 2014 ity. Toy ny mahazatra dia ny sampana teknika no hisantatra ny fanadinana bakalorea ny 11 hatramin’ny 14 aogositra. Ny 18 hatramin’ny 22 aogositra kosa no dingana hiarahan’ny fampianarana ankapobeny sy ny sampana teknika. Ny volana mey moa no hiatrika ny fanadinana ara-panatanjahantena ireo kandida rehetra.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.