Raha tsy misy ny fiovana dia andrasana amin’ity faran’ny herinandro ity farafahatarany ny valin’ny fanadinana bakalorea taom-pianarana 2012-2013 ho an’ny faritra Antananarivo sy ny manodidina.
Raha ny fandaharam-potoana fantatra mantsy dia rahampitso zoma 20 septambra 2013 amin’ny 10 ora maraina no hivory eny Ankatso ka hanapaka ny salan’isa farany ambany ahafahana mahazo ity diplaoman’ny kilasy faha-12 ity ireo tompon’andraikitra nisahana ny fitsarana ny fanadinana tamin’iny taom-pianarana lasa iny. Raha ny tsiliantsofina heno aloha dia manodidina ny 9,5 amin’ny naoty 20 no fetrisa takiana amin’ireo mpifaninana tsy an-kanavaka ho an’ny sokajy rehetra na izany ny fanadinana ankapobeny na koa ireo kandidà avy amin’ny sehatra teknika. Nihena ihany koa ny taham-pahafahana tamin’ity taom-pianarana ity, raha ny angom-baovao voaray fa hita eo ny tena marina momba izay amin’ny sabotsy na alahady ho avy izao. Raha ny mikasika ireo taranja isanisany indray dia tena nanahirana ny ankamaron’ny mpiadina ny filozofia, araka ny fanazavan’ny mpitsara. Tsy vitsy ihany koa ireo kandidà no nahazo naoty ratsy tamin’ny taranja matematika, hoy ihany ireo mpitsara.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.