Bakalorea 2013

> Manantena vokatra tsara ireo mpiadina


  • Zoma 23 Aogositra 2013

Nifarana omaly alakamisy 22 aogositra 2013 ny fanadinam-panjakana bakalorea an-tsoratra tafiditra ao anatin’ny taom-pianarana 2012-2013. Naharitra 4 andro ny fiatrehan’ireo mpianatra avy amin’ny kilasy famaranana manerana ny Nosy ireo taranja 7 na 8 nanadinana azy ireo.

Anio kosa ny fanatanjahantena ho an’izay tsy mbola nahatontosa izany. Tamin’ny ankapobeny dia nizotra tamim-pilaminana ny fanatontosana azy io manerana an’i Madagasikara. Toy ireo fanadinam-panjakana roa teo aloha dia nisy ihany koa ireo kandidà tsy tonga niatrika azy ity noho ny antony maro samy hafa. Ny resadresaka nifanaovana tamin’ireto mpianatra hihazo tsy ho ela ny eny amin’ny anjerimanontolo ireto no nahafantarana fa maro amin’izy ireo no manantena vokatra tsara ka hahazo ny mari-pahaizana bakalorea aorian’ny fivoahan’ny valim-panadinana vinavinaina hivoaka amin’ny faran’ny volana septambra 2013. Ho an’ny ankizy nisafidy ny sokajy D, ohatra, dia nanahirana kely azy ireo ny taranja matematika sy fizika. Ireo mpiadina bakalorea sokajy A2 indray dia nampikorontana azy ireo kosa ny taranja Malagasy mikasika ny famakafakana lahatsoratra tsy misy tsikera na dia nahazatra azy ireo tany an-tsekoly aza izany. Eo am-piandrasana ny voka-panadinana dia maro sahady ireo nisafidy haka rivotra any amoron-tsiraka raha tsy vitsy ihany koa no nanapa-kevitra hijanona amin’ny toerana mahazatra. Raha ny fandaharam-potoanan’ny ofisim-pirenena misahana ny bakalorea moa dia hanomboka amin’io herinandro ambony io avy hatrany ny fitsarana ireo kopiam-panadinana.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT